plt_tn/psa/144/009.md

1.2 KiB

fihiram-baovao

Ireo mety ho heviny dia 1) "fihirana izay tsy mbola nohiraina tany aloha" na 2) "fihirana tsy mbola nohiraiko tany aloha."

Anao, izay manome ... mpanjaka, izay namonjy

"Anao. Fa Ianao no manome ... mpanjaka. Fa Ianao no namonjy"

Davida mpanomponao

Davida miteny ny tenany ho toy ny olon-kafa. "ahy, Davida, mpanomponao"

tamin'ny sabatry ny ratsy

Davida miteny ny olon-dratsy toy ny hoe sabatra ampiasain'izy ireo ho fitaovam-piadiana. DH: "tamin'ny olona izay nitady hamono azy"

Avoty aho ka afaho

"Mba vonjeo aho ka avoty"

amin'ny tanan'ireo olona hafa firenena

Eto ny "tanana" dia manondro fahefana. Adikao araka ny nandikanao ny 144:7 ireo teny ireo. DH: "amin'ny fahefan'ireo hafa fierenena"

Ny vavan'izy ireo miteny lainga

"Miteny lainga izy ireo." Adikao araka ny nandikanao izany ao amin'ny 144:7 ireo teny ireo.

ny tanany havanana dia fitaka

Ireo mety ho heviny dia 1) Davida miteny ny fombafomba amin'ny fananganana ny tanana ankavanana mba hianianana fa izay andeha holazain'ilay olona dia marina, na 2) ny "tanana ankavanana" dia sarinteny ho an'ny fahefana: "izay rehetra nananan'izy ireo, dia tamin'ny alalan'ny lainga avokoa." Adikao araka izay nandikanao izany ao amin'ny 144:7 ireo teny ireo.