plt_tn/psa/138/001.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# Salamo nataon'i Davida
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
# Hisaotra Anao amin'ny foko manontolo aho
Ny fo eto dia maneho ny fihetseham-po. Ny fanaovana amin-kitsipo na an-tsakany sy an-davany dia lazaina toy ny hoe manao izany amin'ny fony rehetra. DH: "Hisaotra Anao amin-kitsipo aho"
# eo anatrehan'ireo andriamanitra
Ireo mety ho heviny dia 1) "na dia misy aza ireo sampy zavapoana" na 2) "eo anatrehan'ny fiangonana masina," izany hoe "amin'ny fahatsiarovana ireo anjely any an-danitra."
# Hiankohoka aho
Ny fiankohofana dia mari-pamantarana izay maneho fanompoana sy fanomezam-boninahitra. DH: "Hanompo Anao aho"
# hisaotra ny anaranao
"hisaotra Anao"
# ny teninao
Izany dia manondro an'izay nolazain'Andriamanitra. DH: "izay nolazainao" na "ireo didy sy fampanantenanao"
# ny anaranao
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny tenanao" na 2) "ny lazanao."