plt_tn/psa/127/003.md

768 B

lova

"fanomezana" na "fananana sarobidy." Ny zanaka raha ny tokony ho izy no mandray lova avy amin'ireo ray aman-dreniny. Ny lova dia miainga avy amin'ny ray aman-dreny mankany amin'ny zanaka. Ity andalana ity dia manondro an'ireo zanaka ho toy ny lova ho an'ireo ray aman-dreny.

Tahaka ny zana-tsipìka eny an-tanan'ny mpiady, dia toy izany koa ireo zanaky ny fahatanorana

Ny zana-tsipìka dia tena zava-dehibe ho an'ny mpiady satria miaro azy ao anaty ady iny. Ny zanaka dia lazaina toy ny hoe ny zana-tsipìkan'ny mpiady. DH: "Ny fananana zanaka maro dia hanampy hiaro anareo"

ny tranon-jana-tsipìkany feno an'ireny

Ny fanananazanaka maro dia lazaina toy ny hoe ny zanaka no zana-tsipìka anaty fitoerany. DH: "ny fonenana feno ankizy" na "zanaka maro"