plt_tn/psa/114/005.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy 5-6 dia misy fanontaniana fampisainana efatra. Ny valiny andrasana amin'ny fanontaniana tsirairay dia hita ao amin'ny andininy 7: "noho ny fanatrehan'ny Tompo."

nifalihavanja tahaka ny ondrilahy ... nifalihavanja tahaka ny zanak'ondry

Ny mpanoratra miteny an'ireo tendrombohitra sy havona toy ny hoe velona. Mety miteny horohorontany izy nagamba raha mamaritra ny tahotr'ireo eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh toy ny hoe nitsambikimbikina tahaka ny ondrilahy sy zanak'ondry izy ireo. Jereo ny nandikana andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 114:3. DH: "nihovitrovitra tahaka ny ondrilahy mitsambikimbikina ... nihovitrovitra tahaka ny zanak'ondry mitsambikimbikina

Mangovita, ry tany, manoloana ny Tompo, amin'ny fanatrehan'Andriamanitr'i Jakoba

Mifanindry lalana ny andianteny roa farany. DH: "Mangovita, eo amin'ny fanatrehan'ilay Andriamanitr'i Jakoba, ry tany"

Mangovita, ry tany

Ireo mety ho heviny dia 1) Ny mpanoratra miteny amin'ny tany toy ny hoe olona ary baikoiny izany mba hangovitra amin-tahotra eo anatrehan'Andriamanitra na 2) ny teny "tany" dia sarinteny ho an'izay miaina ambonin'ny tany. DH: "Mangovita, ry olon-drehetra ambonin'ny tany"