plt_tn/psa/108/007.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# Niteny tamin'ny fahamasinany Andriamanitra
Eto Davida dia mamaritra an'Andriamanitra miteny zavatra satria masina Izy raha miteny hoe "amin'ny fahamasinany," toy ny hoe zavatra ny fahamasinana ary ohatran'ny hoe tao anatiny Izy. DH: "Andriamanitra, satria marina izy, dia niteny"
# hizara an'i Sekema sy hizarazara ny Lohasahan'i Sokota
Eto Andriamanitra dia miteny momba ny fizarana ny tanin'i Sekema sy ny lohasahan'i Sokota.
# hizarazara
Mizara ho isan'isany
# arolohako ihany koa Efraima
andriamanitra miteny an'ireo fokon'i Efraima toy ny hoe tafiny. Ny aroloha dia manamarika ny fitaovana ho an'ny ady. DH: "tahaka ny aroloha efa nofidiako Efraima" na "Ny fokon'i Efraima no tafiko"
# arolohako
satroka mafy izay anaovan'ny miaramila hiarovana ny lohany amin'ny faharatrana
# tehim-piandrianako Joda
Andriamanitra nifidy lehilahy avy amin'ny fokon'i Joda mba ho mpanjakan'ny vahoaka, ary Izy miteny an'izany foko izany toy ny hoe tehim-piandrianany. DH: "tahaka ny tehim-piandrianako ny fokon'i Joda"