plt_tn/psa/107/025.md

1.2 KiB

Izy no nibaiko sy naniraka ny tafio-drivotra izay mampisondrotra ny ranomasina

"Izy no nandidy ny rivotra sy nahatonga izany ho tafio-drivotra mahery izay nampisamboaravoara ny ranomasina"

tafio-drivotra

Rivo-mahery, tahaka ny rivotra izay miampy oram-baratra

mampisondrotra

Eto Davida dia mamaritra ny rivotra mahatonga onja ho avo toy ny hoe zavatra masiaka izay mampisondrotra zavatra hafa. DH: "izay nahatonga ny onjan-dranomasina ho tena avo"

Nanakatra ny lanitra ireny; ary nidina tany amin'ny lalina

Izany dia mamaritra ireo sambo miaka-midina amin'ny onja. Ny fiaingana ambony indrindra any amin'ny lanitra ka mianjera any amin'ny lalina dia fanitarana mba hanehoana ny maha mahatsiravina ny tafio-drivotra. DH: "hiakatra ambony be ambony onja ireo sambo ka hianjera ambany be anelanelan'ny onja"

Ketraky ny fahoriana ny fiainan'izy ireo

Ity fomba fiteny ity dia mamaritra ny tahotra lehibe nahazo ireo tantsambo. DH: "Nihorohoro sy nampahoriana mafy ireo lehilahy"

tonga tanaty fahaverezan-tsaina

Ny andianteny "tonga tanaty fahaverezan-tsaina" dia midika fa tsy fantatr'izy ireo izay hatao. DH: "ary tsy fantatr'izy ireo izay tokony atao" na "tsy nanan-kevitra ny amin'izay tokony atao izy ireo"