plt_tn/psa/101/002.md

1.0 KiB

Handeha amin'ny lala-marina aho

Eto Davida dia miteny momba ny "miaina" toy ny hoe "mandeha." DH: "Hiaina amin'ny fomba marina sy mahitsy aho" na "Hiaina fiainana feno fahitsiana aho"

Handeha amin'ny fahitsiana ao an-tranoko aho

Eto Davida dia miteny momba ny "miaina" toy ny hoe "mandeha." Ary koa, Davida miteny ny fiandraiketana ny ankohonany amin'ny fahitsiana, toy ny hoe zavatra hita maso mitoetra ao an-tranony ny fahitsiana. DH: "Hiandraikitra ny ankohonako amin'ny fahitsiana aho"

Tsy hanisy fahadisoana anoloan'ny masoko aho

Ny "fahadisoana" dia anarana azo soratana ho andianteny. Ny fomba fiteny: "manisy ratsy eo ambany masoko" midika hoe manaiky izany. DH: "Tsy hanaiky na iza na iza manao zavatra diso eo amin'ny fanatrehako aho"

tsy hifikitra amiko izany

Davida mamaritra ny "ratsy" toy ny hoe zavatra tsy afaka ny hifikitra aminy. Izany dia midika fa hanalavitra ireo zava-dratsy sy ireo olona manao izany izy. DH: "Hanalavitra tanteraka ny ratsy aho"

hifikitra

mihazona zavatra na olona mafy dia mafy