plt_tn/psa/094/017.md

744 B

Raha tsy Yaveh no nanampy ahy ... fahanginana

Ity dia mbola petra-kevitra ihany. Yaveh nanampy azy, mba tsy nandriany tany amin'ny toeran'ny fahanginana.

dia efa saika nitsilany tany amin'ny toeran'ny fahanginana aho toy izay

Eto ny "efa nandry" dia manondro "fahafatesana" ary ny "any amin'ny toeran'ny fahanginana" dia manondro ny fasana. DH: "fotoana fohy monja, dia maty aho, nandry tany amin'ny fasana mangina"

Raha maro ny ahiahiko, dia mampifaly ahy ireo fampiononanao

Ny mpanao salamo miteny ny ahiahy toy ny hoe azony isaina misaraka ny ahiahy. Ny anarana "fampiononana" dia azo adika amin'ny matoanteny "mampionona" na "mampahery." DH: "Raha nanahy ny amin'ny zavatra maro aho, dia Ianao no nampahery ahy sy nampifaly ahy"