plt_tn/psa/089/024.md

1.4 KiB

fampifandraisana ny fotokevitra:

Yaveh manohy miteny momba an'i Davida.

Ny fahamarinako sy ny famindram-poko no homba azy

Andriamanitra mahatoky hatrany sy manao izay nampanantenainy ho an'i Davida dia lazaina toy ny hoe fahamarinana sy fahatokiana dia zavatra izay manaraka an'i Davida.

ho mpandresy amin'ny anarako izy

Eto ny "anarana" dia maneho ny fahefan'Andriamanitra. DH: "Izaho, Andriamanitra, no hahatonga azy ho mpandresy"

Hapetrako eo ambonin'ny ranomasina ny tanany ary ny tanany ankavanana eo ambonin'ireo ony

Eto ny "tanana" sy "tanana ankavanana" dia maneho hery sy fahefana. Eto "ny ranomasina" dia toa manondro ny ranomasina Mediteraneana andrefan'Israely, ary ny "ony" dia manondro ny ony Eofrata any andrefana. Izany midika fa hanana fahefana eo ambonin'ny zava-drehetra amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ony i Davida. DH: "Hanome azy fahefana ambonin'ny zava-drehetra amin'ny ranomasina Mediteraneana ka hatrany amin'ny ony Eofrata Aho"

Hiantso Ahy izy hoe: 'Ianao no Raiko, Andriamanitro o, ary vatolampin'ny famonjena ahy

Ity dia farango sosona anaty farango sosona. Azo atao amin'ny fomba tsy mivantana izany. DH: "Hilaza izy fa Izaho no Rainy, Andriamaniny, sy ny vatolampian'ny famonjena azy"

vatolampin'ny famonjena ahy

Yaveh miaro sy manavotra an i Davida dai lazaina toy ny hoe Yaveh no vatolampy izay azon'i Davida ijoroana ao an-tampony mba ho fiarovana amin'ireo fahavalo.