plt_tn/psa/088/011.md

1.2 KiB

Ho ambaraina ao am-pasana ve ny famindram-ponao, ary ny fahitsianao any amin'ny fitoeran'ny maty?

hidera ny fahatokian'Andriamanitra ny maty. DH: "Tsy hisy hanambara ny famindramponao sy ny fahitsianao ny any am-pasana."

am-pasana ... ny fitoeran'ny maty ... ny aizina ... ny toeran'ny fanadinoana

Ireo rehetra ireo dia maneho toerana izay alehan'ny olona rehefa maty.

ny fahitsianao any amin'ny fitoeran'ny maty?

Azo adika ho fehezanteny misaraka izany. DH: "Ho ambaraina any amin'ny fitoeran'ny maty ve ny fahitsianao?" na " tsy hanambara ny fahitsianao ireo maty."

Ho fantatra any amin'ny aizina ve ny asanao mahagaga, na ny fahamarinanao any amin'ny toeran'ny fanadinoana?

Ireo fanontaniana roa ireo dia midika zavatra mitovy. Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa tsy afaka hiaina na hanambara ireo zava-dehibe ataon'Andriamanitra ireo efa maty. DH: "Tsy hiresaka momba ireo asa mahagaga sy ny fahamarinanao any amin'ny toeran'ny maty noadinoina ny olona."

na ny fahamarinanao any amin'ny toeran'ny fanadinoana?

Azo adika ho fehezanteny misaraka izany. DH: "Ny fahamarinanao ve ho fantatra any amin'ny toeran'ny fanadinoina?" na "Ireo izay any amin'ny toeran'ny fanadinoina tsy hahalala momba ireo zava-marina ataonao."