plt_tn/psa/088/005.md

1.1 KiB

Nafoy teo amin'ireo maty aho

Ny olona mihevitra ny mpanoratra toy ny hoe efa maty dia lazaina toy ny hoe razana tsy nalevina izy. DH: "Navela irery toy ny efa maty aho"

izaho dia toy ny maty mitsotra ao am-pasana

Ny mpanoratra mahatsapa fa toy ny nafoin'ny olona sy nafoin'Andriamanitra dia miresaka ny momba azy toy ny hoe olona efa maty mitsotra anaty fasana.

ny maty mitsotra

Ny mpamaritra anarana "ny maty" dia azo avadika ho mpamaritoetra. DH: "ny olona maty mandry"

izay tsy rarahianao intsony ny momba azy ireo

"izay tsy mahazo ny fiahianao intsony" na "olona izay nitsaharanao tamin'ny fiahiana"

nongotana tamin'ny fahefanao

Andriamanitra tsy mampiasa intsony ny heriny hanampiana ny olona efa maty dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra mihitsy no namongotra sy nanala azy tamin'ny heriny. DH: "tsy mampiasa ny herinao intsony Ianao hamonjena azy ireo"

Ianao mametraka ahy any amin'ny farany ambanin'ny lavaka, any amin'ny aizina sy toerana lalina

Ny mpanoratra mahatsapa fa toy ny nahafoy azy Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra nametraka azy tanaty fasana lalina sy maizina indrindra.