plt_tn/psa/085/010.md

1.4 KiB

Nihaona ny fanekena mahatoky sy faha mendreham-pitokisana

Ireo mety ho heviny dia 1) Andriamanitra ho mahatoky noho ny fanekeny ary manao izay nampanantenainy na 2) Andriamanitra ho mahatoky noho ny fankeny ary hamaly fahatokiana aminy ny olona. Ireo hevitra roa fahatokiana sy fahamendrehampitokisana dia lazaina toy ny hoe olombelona izay nihaona.

Nihaona ny ... nifanoroka ny fahamarinana sy fiadanana

Ny mety indrindra dia mamaritra fotoana any amin'ny hoavy ny mpilaza rehefa hanao ny olona ho ambinina indray Andriamanitra. DH: "hihaona ... hifanoroka"

efa nifanoroka ny fahamarinana sy fiadanana

Ireo mety ho heviny dia 1)ny vahoaka hanao izay marina ary Andriamanitra hanao ny olona hiaina amim-piadanana na 2) Andriamanitra hanao izay marina ary hanao ny olona hiaina amim-piadanana. Na ny fahamarinana na fiadanana dia lazaina toy ny hoe olombelona mifanoroka.

nifanoroka

Izany no fomba iraisana ho an'ny mpisakaiza hifampiarahabana.

Miboiboika avy amin'ny tany ny fahamendreham-pitokisana

Ny vahoaka ety ambonin'ny tany mahatoky amin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe fahamendrehampitokisana no zava-maniry mitsiry amin'ny tany. DH: "Eto ambonin'ny tany, izahay no ho mahatoky amin'Andriamanitra" (UDB)

fahamarinana mitazana avy eny amin'ny lanitra

Ny mpanoratra mamritra ny fahamarinana toy ny olona iray mijery ambany tahaka ny ataon'Andriamanitra. DH: "Andriamanitra hitazana anay amin-tsitraka ary hanome anay fandresena"