plt_tn/psa/068/011.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Davida manohy ny tantaran'ny dian'ny Israelita namakivaky ny efitra. Amin'ity ampahan'ny tantara ity, ny Israelita dia mpandresy amin'ny ady amin'ireo fahavalony.

ireo izay nanambara izany ... tafika

Ny olona maro an'isa niteny ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny hafa. Izy ireny dia lazaina toy ny hoe tafika lehibe. Satria somary mitombambavy ity andianteny ity, dia misy amin'ireo dika-teny mandika izany ho: "ireo vehivavy izay nanambara izany ... tafika."

mpanjakan'ny tafika ... nahoana no nanao izany ianareo?

Ny fampahafantarana ao amin'ny 68:11 dia navaozina indray mba ho mora azo ny heviny.

mpanjakan'ny tafika, mandositra izy ireo

Ireo mpanjaka dia maneho ireo tafiny manotolo. Azo tsoahina ary fa mandositra izy ireo satria noresen'ny tafik'Israely. DH: "Mpanjaka sy ireo tafiny mandositra anay satria noresena izy ireo"

entana voaroba

Ireo zavatra izay nalaina tamin'ny tafika noresena ary nentina nankany am-ponenan'ny tafika naharesy.

voromailala voarakotra volafotsy ... volamena

Izany midika fa misy amin'ny entana voaroba no tena sarobidy satria voarakotra vy sarobidy.

Rehefa nipetraka tao amin'ireo valan'ondry ny sasany taminareo ry vahoaka, dia nahoana no nanao izany ianareo?

Ity fanontaniana ity dia ampiasaina hibedesana ny olona izay tsy nandray anjara tamin'ny ady. DH: "Tsy tokony hijanona ireo izay nitampify tao am-balan'ondry; tokony efa lasa any amin'ny ady izy ireo."