plt_tn/psa/062/009.md

1.1 KiB

Tsy misy dikany tokoa ireo olona ambany, ary ireo olona ambony dia lainga

Izany dia ilazana ny karazana sarangan'olona rehetra. Ny hoe "dehaka" sy ny hoe "lainga'' dia mitovy ny heviny. Tsy misy olona afaka mitoky amin'ny olona. DH: "Tsy afaka mametraka ny fitokisanareo amin'ny olona ianareo, na ahoana na ahoana hajan'izy ireo"

raha lanjaina miaraka, dia maivana mihoatra ny tsy misy izy ireo

Raha miaraka apetrakareo eo ambony mizàna ireo karazan'olona rehetra ireo, dia tsy hisy lanjany izy ireo. Izany dia midika fa tsy manan-danja marina ho anareo izy ireo.

fampahoriana na fandrobana

Mitovy hevitr'ireo teny roa ireo. Tsy afaka mitoky amin'ny vola azonareo tamin'ny fakana izany tamin'ny olona hafa ianareo.

satria tsy hitondra vokatra ireo

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe hazo na hazom-boaloboka mamokatra voa ny mpanankarena. DH: "satria tsy mitondra zava-tso ho anareo ireo

aza manankina ny fonareo amin'izy ireo

Eto ny hoe "manankina ny fonareo" dia fomba fiteny izay midika hoe mitsiriritra zavatra iray fatratra. DH: "aza mitsiriritra azy ireo"