plt_tn/psa/059/016.md

1.1 KiB

fiarovana avo ho ahy Ianao ary fialofana

Ny fiarovana avo sy ny fialofana dia toerana falehan'ny olona mba hierena amin'ny fahavalo. Milaza ny fiarovan'Andriamanitra azy toy ny hoe hery, fialofana azo antoka ny mpanao Salamo. DH: "niaro ahy tahaka ny fiarovana avo sy fialofana Ianao''

amin'ny androm-pahoriako

Eto ny teny hoe "andro" dia ilazana ny fotoana rehetra. DH: "amin'ny fotoana rehetra ananako olana"

Ho Anao, ry heriko, no hihirako fiderana

Ny hoe "Ho Anao, ry heriko" dia azo adika amin'ny fomba hafa. DH: "Ianao ny heriko, ka hihira fiderana ho Anao aho"

heriko

Ny hoe Andriamanitra no herin'ny mpanao salamo dia lazaina toy ny hoe miaro azy Andriamanitra. DH: "mpiaro ahy'

fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy

Ny fiarovana avo dia toerana falehan'ny olona mba hierena amin'ny fahavalo. Milaza ny fiarovan'Andriamanitra azy toy ny hoe hery, fialofana azo antoka ny mpanao Salamo. Niaro ahy tahaka ny fiarovana avo Ianao"

ilay Andriamanitry ny fanekena mahatoky

Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "Izy ilay Andriamanitry ny fanekena mahatoky" na "Ianao no Andriamanitry ny fanekena mahatoky"