plt_tn/psa/058/009.md

1.3 KiB

Mialohan'ny hatsapan'ny vilaninao ny hafanana mandoron'ny tsilo ... ny tsilo maitso na ny tsilo mirehitra

Ny ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sampan-kazo feno tsilo, ary ny famaizan'Andriamanitra tamin'izy ireo dia lazaina toy ny hoe rivotra mitsoka na mipaoka. DH: "Aingana nohon'ny tafio-drivotra mitsoka ny sampan-kazo feno tsilo izay natao ao ambany vilany fandrahoana ary nodorana tamin'ny afo ny hanimban'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy"

anao

Miresaka amin'ny vahoaka an'Andriamanitra i Davida.

tsilo

"sampan-kazo feno tsilo"

Ny olo-marina hifaly rehefa mahita

Ny teny hoe "-marina" dia ilazana ny olo-marina amin'ny ankapobeny. DH: "Ireo olo-marina hifaly rehefa mahita"

hanasa ny tongony amin'ny ràn'ny ratsy fanahy izy

Ny fananana tongotra lena avy amin'ny fandehanana eo ambony rà dia lazaina toy ny hoe manasa tongotra amin'ny rà. DH: "nandena ny tongony tamin'ny ràn'ny ratsy fanahy ny olo-marina" na "handeha eo amin'ny ràn'ny ratsy fanahy ny olo-marina"

hanasa ny tongony amin'ny ràn'ny ratsy fanahy izy

Ny hamaroan'ny olona ratsy fanahy maty dia aseho amin'ny fampiasana fanitarana amin'ny olo-marina izay manasa ny tongony amin'ny ràn'ny ratsy fanahy. DH: "koa ho maro ny olona ratsy fanahy ho faty rehefa handeha eo amin'ny ràn'izy ireo ny olo-marina, ohatrany hoe manasa ny tongony ao amin'izany izy ireo"