plt_tn/psa/058/003.md

1.3 KiB

Mania ny ratsy fanahy na dia fony mbola tao am-bohoka aza ... mania izy ireo hatramin'ny vao teraka

Hevitra tokana ihany izany fa aseho amin'ny fomba roa samihafa.

mania izy ireo

Ny fanaovana zavatra diso dia lazaina toy ny hoe mandeha eny an-dalana ny olona, ary miala sy mandeha amin'ny lalan-diso. DH: "manao zavatra diso izy ireo"

Tahaka ny poizin'ny bibilava ny poiziny

Ireo zava-dratsy lazain'ny olona dia alazaina toy ny hoe poizina. DH: "Mahatonga fahoriana tahaka ny poizin'ny bibilava mamely olona ny teny ratsin'izy ireo"

toy ny vipera marenina izay manakana ny sofiny tsy handre izy ireo

Ny olona izay tsy mihaino ny torohevitra na fananarana dia lazaina toy ny hoe izy ireo no bibilava izay tsy mamaly an'ireo mozikan'ny mpanao ody. DH: "mandà ny hihaino tahaka ny vipera marenina manakana ny sofiny izy ireo"

ny vipera marenina izay manakana ny sofiny

Ny vipera izay tsy mamaly ny mozikan'ny mpanao ody dia lazaina toy ny hoe azo ametrahana zavatra eo amin'ny sofiny mba tsy hahenoany. DH: "vipera izay tsy mihaino"

vipera

Karazana bibilava misy poizina

mpilalao ody

Ny olona izay mitendry na mihira mozika mba hibaikoana bibilava.

na dia mahay tahaka ny ahoana aza izy ireo

Ny zavatra izay manavanana ireo mpanao ody bibilava dia azo ambara mazava tsara. DH: "na dia mahay mibaiko bibilava tahaka ny inona aza ny mpanao ody"