forked from WA-Catalog/plt_tn
48 lines
1.9 KiB
Markdown
48 lines
1.9 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
|
|
|
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Ity salamo ity dia tonon-kira momba ny olona ratsy fanahy.
|
|
|
|
# Ho an'ny mpiventy hira
|
|
|
|
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
|
|
|
|
# atao Al-Tasheth
|
|
|
|
Mety ho manondro fomba fitendry ny mozika izany ary ampiasaina hihirana ny salamo. Jereo izay nandikanao izany ao amin;ny 57:1
|
|
|
|
# Salamo nataon'i Davida
|
|
|
|
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida ` ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
|
|
|
|
# Miktama
|
|
|
|
Ny dikan'ny teny hoe "miktama" dia tsy voafaritra mazava. Azonao ampiasaina ho solony ny teny "salamo." Azo soratana izany hoe: "Salamo nosoratan'i Davida." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 16:1.
|
|
|
|
# Milaza ny fahamarinana ve ianareo ry mpanapaka?
|
|
|
|
Ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity hibedesana ireo mpanapaka satria tsy miteny amim-pahamarinana izy ireo. DH: "Ianareo ry mpanapaka tsy milaza izay marina!"
|
|
|
|
# ianareo ... anareo
|
|
|
|
Ny teny hoe "ianareo" sy "anareo" dia manondro ireo lehilahy izay mpitsara. Ny "ianareo" eto dia betsaka.
|
|
|
|
# Mitsara amim-pahamarinana ve ianareo, ry olona?
|
|
|
|
Ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity hibedesana ireo mpitsara izay tsy mitsara amim-pahamarinana. DH: "Ianareo vahoaka tsy mba mitsara ny olona amim-pahitsiana!"
|
|
|
|
# Tsia
|
|
|
|
Ny mpanoratra mamaly ireo fanontaniana roa izay vao avy napetrany.
|
|
|
|
# manao ny faharatsiana ao am-ponareo ianareo
|
|
|
|
Ny fo dia manondro ny fisainanan'ny olona na fikasana. DH: "mpanao faharatsiana ao an-tsainareo ianareo" na "mihevitra momba ny fanaovana zava-dratsy ianareo"
|
|
|
|
# mizara herisetra manerana ny tany amin'ny tananareo ianareo.
|
|
|
|
Ny fanaovana herisetra amin'ny toerana samihafa manerana ny tany dia lazaina toy ny mizara na manely ny herisetra manerana ny tany, toy ny hoe karazana zavatra ny herisetra. DH: "Ianareo tenanareo mihitsy no manao asan-kerisetra eny amin'ny tany rehetra"
|