plt_tn/psa/056/005.md

891 B

Mandika vilana ny teniko izy ireo

Ny famerenana izay lazain'olona fa kosa manova kely izany mba hidika zavatra hafa mihitsy dia lazaina toy ny hoe mandika vilana ny teniny. DH: "izy ireo milaza fa niteny zavatra izay tsy noteneniko aho" na "manambara izy ireo fa niteny zavatra aho, nefa mandainga izy ireo"

manohitra ahy amin'ny fisainan-dratsy rehetra izy ireo

"manana eritreri-dratsy amiko mandrakariva izy ireo" na "mieritreritra zava-dratsy hatao amiko mandrakariva izy ireo"

mitsongo dia ahy

Ny fijerena izay aton'olona iray mba hizahana ny fomba hampatonga fahoriana eo aminy dia lazaina toy ny hoe mitsongo ny diany, tahaka ny olona iray te hisambotra olona mizaha izay alehan'io olona io. DH: "mijery izay rehetra ataoko izy ireo"

satria mikendry ny aiko

Ny mikendry hamono olona iray dia lazaina toy ny hoe mikendry ny ainy. DH: "satria mikendry hamonoahy izy ireo"