plt_tn/psa/055/010.md

1.7 KiB

Mandehandeha andro aman'alina eo ambonin'ny mandan'izany ireny

"herisetra sy fifandirana no mandehandeha ambonin'ireo mandany." (Jereo 55:8 Ny herisetra sy fifandirana dia lazaina toy ny hoe olombelona. Izany dia azo ambara amin'ny filazana momba ny olona izay mahatonga herisetra sy fifandirana. DH: "mandehandeha ambonin'ny mandan'ny tanàna ny olona, izay maherisetra sy tia ady"

eo ambonin'ny mandan'izany

"manaraka ny tampon'ny mandan'ny tanàna." Ireo tanàna dia nanana manda natevina nanodidina azy mba hiarovana azy ireny tamin'ny fahavalo. Azon'ny olona natao ny nandehandeha manaraka ny tampon'ny manda mba hizahana raha misy fahavalo tonga amin'ny tanàna.

Heloka sy sompatra no eo afovoan'izany

Heloka sy sompatra dia lazaina toy ny hoe olombelona. Izany dia azo ambara amin'ny filazana momba ny olona izay manao heloka sy sompatra. DH: "ny olona izay manao heloka sy mahatonga sompatra no eo afovoan'ny tanàna" na "olona manao zava-meloka sy mahatonga fahoriana no ao aminy"

sompatra

"fahoriana"

Faharatsiana no eo anivon'izany

Ny faharatsiana dia lazaina toy ny hoe olona iray. Izany dia azo ambara amin'ny filazana momba ny olona izay manao zava-dratsy. DH: "Olona mpanao zava-dratsy no eo anivon'ny tanàna" na "mamotika zavatra ao amin'ny tanàna ny olona"

tsy miala amin'ny lalam-beny ny fampahoriana sy fitaka

Ny fampahoriana sy fitaka dia lazaina toy ny hoe olombelona. Izany dia azo ambara amin'ny filazana momba ireo olona izay mampahory sy mamitaka ny hafa. DH: "Olona mampahory sy mamitaka ny hafa no eny an-dalamben'ny tanàna, ary tsy miala mihitsy izy ireo" na "Mampahory sy mamitaka ny hafa eny an-dalamben'ny tanàna mandrakariva ny olona"

ny lalam-beny

Izany dia mety ho manondro ny tsena ao an-tanàna.