plt_tn/psa/053/004.md

1.4 KiB

Moa izay manao ratsy tsy mba hanana fahazavan-tsaina— dia izay ... an'Andriamanitra?

Ity fanontaniana ity dia ampiasaina mba hampisehoana ny dona izay manjo ny mpanoratra satria tena manota ny olona. Azo soratana ho fanambarana anankiroa izany. "Izay manao asa ratsy na dia tsy mahalala na inona na inona aza. Dia mandevona ny oloko toy ny hoe izy ireo mihinana mofo, ary tsy mba miantso an'Andriamanitra!"

izay mandevona ny oloko tahaka azy ireo mihinana mofo

Ny famotehana olona dia lazaina toy ny hoe mandevona azy ireo. Ny fanaovana izany dia tahaka ny hoe izy ireo mihinana mofo midika fa nanao izany mora foana izy ireo na koa hoe tsy mahatsiaro meloka amin'izany mihitsy. DH: "izay mamotika ny oloko am-pahalalahana tahaka ny hoe izy ireo nihinana mofo"

Andriamanitra hanapatapaka ny taolan'izay hitoby hanohitra anao

Ny fanapatapahana ny taolan'ny olona dia maneho famonoana azy ireo ary mamela ny taolan'izy ireo any amin'ny toerana nahafatesany ka tsy ho voalevona araka ny tokony ho izy. DH: "Andriamanitra hamotika tanteraka izay rehetra hitoby hanohitra anao, ary ho tavela amin'ny tany hiparitaka eo ny taolany"

izay hitoby hanohitra anao

Ny fitobiana hanohitra olona dia maneho famelezana azy ireo. Ireo tafiky ny fahavalo dia nanao dia lavitra ka nametraka toby mba honina vonjimaika akaikin'ny vahoaka izay tian'izy ireo hotafihana. DH: "izay rehetra hamely anao"