plt_tn/psa/047/003.md

1.5 KiB

Mandresy ireo olona eo ambanitsika Izy ary ireo firenena ho eo ambany tongotsika

Ireo andianteny roa ireo dia mitovy tantana ary midika fa Andriamanitra nanao an'Israely handresy ireo fahavalony.

Mandresy

Mandresy sy mametraka eo ambany fahefan'ny hafa.

eo ambanitsika ... eo ambany tongotsika

Ny mpanoratra miteny ny fandresena amin'ny firenena hafa toy ny hoe mametraka ireo firenena ireo eo ambany tongony.

Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy

Ny mpanoratra miteny ny tanin'Israely toy ny hoe lova izay nomen'Andriamanitra ny vahoaka ho fananana mandrakizay. DH: "Mifidy izany tany izany ho lova ho antsika Izy"

ny voninahitr'i Jakoba

Eto ny teny hoe "voninahitra" dia manondro loharanon'ny fireharehana ary maneho ny tany izay nomen'Andriamanitra ny vahoakany ho lovany. DH: "ny tany izay noraisin'i Jakoba ho reharehany"

Jakoba izay tiany

Ny teny hoe "Jakoba" dia manondro ny firenen'Israely.

Efa niakatra tamim-pihobiana Andriamanitra

Ny mpanoratra mitent an'Andriamanitra mandresy ireo firenena toy ny hoe Andriamanitra dia mpanjaka niakatra tamin'ny seza fiandrianany, izay tao an-tempoly. DH: "Niakatra nakao an-tempoly Andriamanitra raha vao nihoby ny vahoaka" (UDB) na "Niakatra nankeo amin'ny seza fiandrianany Andriamanitra raha vao nihoby ny vahoaka"

Yaveh tamin'ny feon'ny trompetra

Ity andianteny ity dia mitovy tantana amin'ny andianteny teo aloha. Mety ho ampiana ny matoanteny mba ho fanampim-panazavana. DH: "niakatra Yaveh raha vao nitsoka trompetra ny vahoaka"