plt_tn/psa/041/010.md

1.4 KiB

Fa ianao, ry Yaveh, manàna famindram-po amiko ary atsangano aho

Izany dia fangatahana. DH: "Yaveh o, mba manàna re famindrampo amiko atsangano aho re

atsangano aho

Izany dia midika hoe atsangano eo am-pandriany izy, na ataovy sitrana amin'ny aretiny izy. DH: " ataovy salama aho"

hahafahako mamaly azy ireo

Ny mpanoratra miteny ny valifaty amin'ireo fahavalony toy ny hoe mamaly azy ireo amin'izay nataon'izy ireo izy. DH: "mba hahafahako mamalifaty azy ireo"

Amin'izany no hahalalako fa faly amiko ianao, satria tsy mandresy eo amiko ny fahavaloko

Ny teny hoe "izany" dia manondro izay holazain'ny mpanoratra manaraka. Ho fanazavana, dia ireo fehezanteny dia mety ho ampifamadihana. DH: "satria tsy mandresy eo amiko ireo fahavaloko, dia fantatro fa mifaly amiko Ianao"

Amin'izany no hahalalako fa faly amiko ianao, satria tsy mandresy eo amiko ny fahavaloko

Azo adika ho amin'ny filazam-potoana ho avy ihany koa izany, satria tsy mbola nanasitrana azy akory Yaveh. DH: "raha mba avelanao hanao izany aho mantsy, mba tsy handavoan'ireo fahavaloko ahy, dia ho fantatro tokoa fa faly amiko Ianao" (UDB)

manohana ahy amin'ny fahitsiako Ianao

"manohana ahy Ianao noho ny fahitsiako"

hihazona ahy eo anatrehan'ny tavanao

Ny mpanoratra miteny ny maha ao amin'ny fanatrehan'i Yaveh toy ny hoe ao amina toerana izay ahafahan'i Yaveh mahita azy sy ahitany ny tavan'i Yaveh. DH: "hihazona ahy hiaraka aminao"