plt_tn/psa/036/007.md

1.4 KiB

Endrey ny hasarobidin'ny fanekenao mahatoky

Ny famindrampon'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe firavaka tsy dia fahita firy sy lafovidy. DH: "sarobidy tahaka ny firavaka tsy dia fahita firy ny famindramponao"

Mialoka ny olombelona

"Hitady fiarovana ny olona"

Mialoka eo ambany aloky ny elatrao ny olombelona

Andriamanitra akory tsy hoe tena manan'elatra. Ity dia sarinteny ho an'ny fiarovan'Andriamanitra. DH: "Mialoka ao aminao tahaka ny voronkely mitady fialofana ambany elatry ny reniny ny olombelona"

amin'ny habetsahan'ny hanina ao an-tranonao

Tsy midika akory izany fa manana trano misy hanina Andriamanitra. Ity dia sarinteny ho an'ny famatsiana tsy manam-petra. DH: "toy ny hoe nihinana ny hanim-be avy tao an-tranonao" na "amin'ny fitahianao mahatretrika"

Ianao hamela azy ireo hisotro amin'ny reniranom-fitahianao sarobidy

Misy sarinteny roa eto. Ny fitahiana mahatretrik'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe rano izay mikoriana amin'ny renirano. Ary koa, izay mandray ireny fitahiana ireny dia lazaina toy ny hoe misotro ireny toy ny rano. DH: "ny fitahianao sarobidy dia tahaka ny renirano izay hamelanao azy ireo hisotro"

loharanon'aina

"fipoiran'ny fiainana"

ao amin'ny fahazavanao no hahitanay hazavana

Eto ny "hazavana" dia sarinteny ho an'ny fahalalana marina. DH: "rehefa manazava any Ianao, dia ho fantatray tokoa ny marina" na "ny fahazavanao no mamela anay hahalala ny marina momba Anao" (UDB)