plt_tn/psa/033/004.md

795 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy tsirairay dia misy fehezanteny roa avy izay tena mifandraika ara-kevitra.

mahitsy ny tenin'i Yaveh

Eto ny "mahitsy" dia ampiasaina ho sarinteny ho an'ny zavatra izay tena marina. DH: "Yaveh manatanteraka izay lazainy fa ho ataony mandrakariva"

Tia fahamarinana sy rariny Izy

Ireo anarana ireo dia azo ambara ho fihetsika. DH: "Tia manao izay marina sy mahitsy Izy" na "Tia ireo izay manao ny marina sy mahitsy Izy"

Heniky ny famindram-pon'i Yaveh ny tany

Eto ny "Henika ny tany" dia fomba fiteny izay midika fa afaka jerena manerana ny tany rehetra ny famindrampony. DH: "Ny famindrampon'i Yaveh dia afaka andramana manerana ny tany rehetra"

tamin'ny fofonain'ny vavany

Ity dia manondro ny tenin'i Yaveh. DH: "tamin'ny teniny"