plt_tn/psa/024/003.md

32 lines
1.0 KiB
Markdown

# Iza no hiakatra any amin'ny tendrombohitra ... ao amin'ny fitoerany masina
Ireo fanontaniana roa ireo midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny mpanoratra manontany ny hoe iza no nomena fahafahana handeha sy hanompo an'i Yaveh.
# hiakatra
"hihainika"
# ny tendrombohitr'i Yaveh
Manondro ny tendrombohitra Ziona any Jerosalema izany.
# ny fitoerany masina
Manondro ny tempolin'i Yaveh izany. Ny tempoliny ao amin'ny tendrombohitra Ziona ao Jerosalema.
# Izy izay ... izay ... tsy nanao
Eto ny hoe "Izy" dia tsy manondro olona manokana. DH: "ireo izay ... izay ... ary tsy nanao"
# izay manana tanana madio
Ny teny hoe "tanana" dia maneho izay ataon'ny olona iray. Ho an'ny "tanany" ho madio dia midika fa izy manao izay marina. DH: "izay manao izay marina"
# fo tsy misy pentina
Eto ny "fo" maneho ny fisainan'ny olona na ny fihetseham-pony. DH: "manao fihevitra tsara" na "tsy mihevitra ny hanao izay ratsy"
# izay tsy nanandratra lainga
Eto ny hoe "lainga" dia maneho sampy tsy marina. Ny "manandratra" midika manompo. DH: "izay tsy manompo sampy"