plt_tn/psa/022/011.md

1.1 KiB

Aza manalavitra ahy

Azo atao amin'ny endrika mihiba izany. DH: "manatòna akaiky ahy"

fa akaiky ny fahoriana

Ny mpanoratra miteny momba ny "fahoriana" toy ny hoe zavatra izay akaiky azy izany. DH: "fa akaiky ahy ireo fahavaloko"

tsy misy olona hamonjy ahy

"tsy misy mpamonjy"

Manodidina ahy ny ombilahy maro, manodidina ahy ny ombilahy masiakan'i Basana

Ny mpanoratra miteny momba ireo fahavalony toy ny hoe ombilahy. Izany dia manamafy fa mampidi-doza sy maherivaika tokoa ireo fahavalony. DH: "Manam-pahavalo maro aho ary toy ny ombilahy mihodidina ahy izy ireo; Tahaka ny ombilahy mahery avy any Basana izay manodidina ahy izy ireo"

Hampitanatana ny vavany amiko ireo

Ny mpanoratra miteny momba ireo fahavalony toy ny hoe liona mampitanatana vava vonona handrapaka azy. Mety hilaza lainga hanamavoana azy ireo fahavalony. Na koa mety hoe mandrahona azy izy ireo ary hamely azy.

tahaka ny liona mierona mandrapaka ny hazany

Ny mpanoratra miteny momba ireo fahavalony toy ny hoe liona izy ireo. Izany dia manamafy fa mampidi-doza sy maherivaika tokoa ireo fahavalony.