plt_tn/psa/018/030.md

994 B

Ampinga ho an'izay rehetra mialoka aminy Izy

Ny ampinga miaro ny miaramila. Davida miteny toy ny hoe ampinga miaro azy Andriamanitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 3:3. DH: "Ianao, ry Yaveh, no miaro ahy tahaka ny ampinga ny olon-drehetra mialoka ao aminao."

Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Yaveh? Iza no vatolampy afa-tsy Yaveh?

Ny dikan'ny valinteny dia hoe tsy misy. DH: "Yaveh irery ihany no Andriamanitra! Ny Andriamanitsika ihany no vatolampy!"

vatolampy

Davida miteny an'i Yaveh toy ny hoe vatolampy izay azony hiainihana Izy mba hanalavirana ireo fahavalony. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 18:2.

mametraka hery ato anatiko toy ny fehin-kibo

Andriamanitra manome hery an'i Davida toy ny hoe sombin'akanjo izany.

mametraka ny olona tsy misy tsiny eo amin'ny lalany

Davida eto dia miteny ny miaina fiainana izay ankasitrahan'Andriamanitra toy ny hoe napetraka eo amin'ny lala-marina izy. DH: "manao ny olona tsy manana tsiny hiaina amin'ny fiainana marina"