plt_tn/psa/013/001.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.

Ho an'ny mpiventy hira

"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"

Salamo nataon'i Davida

Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.

Mandra-pahoviana, Yaveh o, no hanadinoanao ny momba ahy?

Anontaniana ity fanontaniana ity mba hahazoana ny fifantohan'ny mpamaky ary hanasiana fanamafisana. Azo adika ho fanambarana izany. DH: "Yaveh o, hita fa toa adinonao ny momba ahy!"

Mandra-pahoviana ... tavanao amiko

Ny teny hoe "tavanao" dia maneho ny tenan'Andriamanitra manontolo. Ity fanontaniana tsara petraka ity dia apetraka hanampiana fanamafisana. Azo adika ho fanambarana izany. DH: "Toa tahaka ny miafina amiko Ianao!"

Mandra-pahoviana no handresy eo amiko ireo fahavaloko?

Ity fanontaniana tsara petraka ity dia apetraka hanampiana fanamafisana. Azo adika ho fanambarana izany. DH: "Tsy handavo ahy lava tokoa ireo fahavaloko!"