plt_tn/psa/002/001.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo

Nahoana ireo firenena no ao anaty korontana ... nahoana ny olona no manao teti-dratsy izay tsy hahomby?

Ireo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy, ary ny "firenena" sy "olona" dia manondro vondron'olona mitovy. Ny teny hoe "firenena" sy "olona" dia mety maneho ireo mpanapaka azy ireo. DH: "nahoana ireo mpitarika ny firenena no ao anaty korontana sy manao teti-dratsy tsy hahomby akory?"

Nahoana ireo firenena no ao anaty korontana, ary nahoana ny olona no manao teti-dratsy izay tsy hahomby?

Ireo fanontaniana ireo dia ampiasaina hanehoana fahatairana tampoka amin'ny olona manao zavatra diso na adala. DH: "Ao anaty korontana ny firenena ary manao teti-dratsy tsy mahomby ny olona."

ny firenena no ao anaty korontana

Mety ho midika izany fa nanakoako mafy ireo firenena ary nanao tabataba tamim-pahatezerana.

teti-dratsy izay tsy hahomby

Ireo dia mety hoe teti-dratsy amin'Andriamanitra sy ireo olony.

Miara-mitsangana ireo mpanjakan'ny tany ... miara-mioko ireo mpanapaka

manana dika mitovy ireo andian-teny roa ireo

Miara-mitsangana

"mitambatra hiady" na "mikambana sy miomana hikomy"

Aoka isika hamiravira ireo rojo vy ... hanipy ireo rojony

Ny olon'ireo firenena hafa dia miresaka momba an'i Yaveh sy ny fanapahan'ilay Mesia eo amin'izy ireo ho tahaka ny rojo vy. DH: "Tokony hanafaka ny tenantsika eo ambany fahefan'izy ireo isika; tsy tokony hamela azy ireo hanapaka eo amintsika intsony isika!" (UDB)