plt_tn/pro/31/01.md

1.4 KiB

Lemoela mpanjaka

Anarana mpanjaka io.

Inona, ry zanako? Inona izany, ry zanaka naterako? Inona no tadiavinao, ry zanaky ny voadiko?

Ireo mety ho hevitry ny fanontaniana fampisainana hoe "inona" dia 1) "Inona ity ataonao?" na "Tsy tokony hanao izao ataonao izao ianao" na 2) "Inona no ho lazaiko aminao?" na "Henoy izay lazaiko aminao" na 3) "Aza manao ireo zavatra izay ho ampitandremako aminao."

zanako ... zanaka naterako ... zanaky ny voadiko

Tian'ny mpanoratra ny mpihaino mba hahatsikaritra tsara ary hanaja izay miteny aminy.

zanaky ny kiboko

Eto ny kibo dia fibangoan-teny ilazana ilay olona. Tsara ny mampiasa fiteny mihaja ilazana ny momba ny tena izay hitomboan'ny zaza mialohan'ny ahaterahany.

zanaky ny voadiko

Ny "voady" dia mety ho 1) voadim-panambadian'ilay reny na 2) voady taorian'ny nanambadiany fa raha mamela azy hanan-janaka Andriamanitra dia hatokany ho an'Andriamanitra izany.

Aza omena ny vehivavy ny herinao

"Aza miasa mafy mba hiezahana hiray ara-nofo amin'ny vehivavy," na ivelan'ny fanambadiana na miaraka amin'ny vaditsindrano.

na ny lalanao ho an'ireo izay mamotika ny mpanjaka

"na mamela ireo izay mamotika ny mpanjaka hanoro hevitra anao"

ny lalanao

Ireo mety ho heviny dia 1) "ny fomba fiainanao" na 2) "ny asa ataonao"

ireo izay mamotika ny mpanjaka

mety hoe ireo ''vehivavy" ratsy fitondran-tena izay tsy tokony homeny ny heriny