plt_tn/pro/30/15.md

1.6 KiB

Ny dinta manan-janaka vavy roa

Ohatra maneho ny zavatra izay mitady bebe kokoa hatrany io. DH: "Ny tsy fahononan-tena dia manan-janaka vavy roa"

dinta

karazan-kankana izay miraikitra amin'ny hoditra ary mitsentsitra ny rà

"Omeo, Omeo" hoy ny fihiakiakany

Ny mety ho heviny iray hafa dia hoe "ary samy Omeo Aho no anarany."

Misy zavatra telo izay tsy mety afapo, efatra izay tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy izay"

Ny fampiasana ny isa "telo" sy "efatra" miaraka eto dia fomba fanehoana ny hay kanto. DH: "Misy zavatra efatra izay tsy mety afapo, izay tsy mba milaza mihitsy oe: ''Ampy izay"

tsy mety afa-po

Io dia azo adika hoe DH: "mitady mihoatra hatrany"

ny tany tsy vonton-drano

Ny tany izay tsy mamokatra hanina intsony satria tsy nisy orana dia resahina toy ny hoe olona izay tsy ampy rano ho sotroina.

mandrabiraby ny fankatoavana ny reny

Ny teny hoe "fankatoavana"—izay anarana azo adika amin'ny endrika matoanteny—dia fibangoan-teny ilazana ilay reny mihitsy. DH: "mihevitra ny reniny hoe tsy misy dikany ary tsy mankatoa azy"

ny mason'izany ...volotoro

Ambaran'ny mpanoratra amin'ny fanomezana kisarisary roa maneho ny manjo izay olona izay maty lavitra ny fitoeran'ny olona fa ho faty ilay olona.

ho tsaingohan'ny goaika any an-tsaha ny mason'izany

Io dia azo adika hoe DH: "ny goaika any an-dohasaha dia hitsaingoka ny masony"

goaika

vorona lehibe, mamirapiratra izay mihinana zava-maniry sy fatim-biby

ho lanin'ny volotoro izy

Io dia azo adika hoe DH: "hihinana azy ny volotoro"

volotoro

iray amin'ireo vorom-be maro izay mihinana fatim-biby ary kely loha sady tsy misy volo