plt_tn/pro/28/15.md

872 B

Tahaka ny liona mierona na bera miremby ny mpanapaka ratsy fanahy eo amin'ny olona mahantra

Ny olo-mahantra izay tsy afa-manoatra manohitra ny mpanapaka ratsy dia ampitahaina amin'ny olona izay misy liona mierona na bera manafika azy.

bera miremby

Ny bera dia biby lehibe, masiaka, ary mampidi-doza izay mandeha amin'ny tongotra efatra ary misy hoho sy nify maranitra.

Ny mpanapaka tsy ampy fahazavan-tsaina

Ny anarana hoe "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ny mpanapaka izay mahatakatra"

mpampahory

olona izay mitondra ny olona amin'ny fomba henjana ary manasarotra ny fiainan'izy ireo

hampitombo ny androny

Ireo mety hoe heviny dia 1) fomba fiteny izay midika hoe velona mandritra ny fotoana bebe kokoa io. DH: "ela velona" na 2) fomba fiteny izay midika fanitarana ny faharetan'ny fanjakany io. DH: "hanjaka ela kokoa"