plt_tn/pro/28/09.md

1.2 KiB

mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna

Maneho ny fihodinan'ilay olona manontolo sy ny fandavany ny lalàn'Andriamanitra izany. DH: "miala amin'ny fihainoana sy fankatoavana ny lalàna"

na ny fivavahany aza maharikoriko

"na ny fivavahany aza manafintohina an'Andriamanitra." DH: "Halan'i Yaveh na dia ny fivavahany aza"

maharikoriko

Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:31 io.

Na iza na iza mamily lalana ny mahitsy amin'ny lalàn-dratsy

Sarinteny ilazana ny fitondrana ny olo-marina mizaotra mankany amin'ny lalan-dratsy io. DH: "Izay rehetra mahatonga ny marina handeha amin'ny lalan-dratsy"

Na iza na iza mamily lalana ... lalàn-dratsy dia hilatsaka ao amin'ny lavany ihany

"Ra misy mamily lalana ... lalan-dratsy, dia hilatsaka"

ny mahitsy

Ilazana ny olo-marina amin'ny ankapobeny io. DH: "olo-marina"

hilatsaka ao amin'ny lavany ihany

"hilatsaka ao amin'ny fandrika izay nolavahany." Sarinteny ilazana ny fiafarana ao amin'ny toerana ratsy tahaka ny nitarihany ny hafa ihany izany. DH: "hiafara ao amin'ny toerana ratsy izay nitarihany ny hafa ihany"

tsy misy tsiny

Ilazana ny olona tsy misy tsiny amin'ny ankpobeny io. DH: "olona tsy misy tsiny"

hanana lova tsara

"handova izay tsara"