plt_tn/pro/27/21.md

1.1 KiB

Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena

Entina ilazana ny fomba fanefena ny volamena sy ny volafotsy io. Ny vy dia tefena amin'ny alalan'ny famanàna izany amin'ny maripana ambony mba hitsonika ary hiala ny tsy fahadiovana rehetra. Jereo ny fomba nandikanao ny teny tena mitovy amin'io ao amin'ny 17:3. DH: "Ampiasaina hanefena volafotsy ny memy ary ny fatana fandrendrehana ampiasaina hanefena volamena"

memy

fitoeran-javatra ampiasaina hamanàna zavatra amin'ny maripana

fatana fandrendrehana

fatana izay azo atao mamaivay

amin'ny fiderana azy no hitsapana ny olona

Io dia azo adika hoe DH: "rehefa midera olona ny olona iray, dia mitsapa izany olona izany ihany koa izy"

Na dia totoinao amin'ny fanoto aza ny adala ... dia mbola tsy hiala aminy ihany ny adalany

Midika izany fa na dia ampiaretana ady mafy na fanaintainana aza ny adala ( ny voatotototo matetika dia sarinteny ilazana ny fijaliana tamin'ny Hebreo), dia ho adala ihany izy.

fanoto

zavatra mafy sady dombo loha, ampiasaina hitotoana zavatra anaty lovia jobo