plt_tn/pro/27/13.md

1.3 KiB

Alaivo ny akanjon'izay nanome antoka amin'ny vahiny

Rehefa mampindram-bola, dia maka zavatra amin'ilay mpindrana ny mpampindrana, tahaka ny akanjo, mba ho antoka amin'ny famerenana. Ho averiny izany aorian'ny hamerenana ilay vola. Raha mahantra loatra ilay mpindrana, dia misy olon-kafa afaka manome zavatra iray amin'ilay mpampindrana ho antoka ho azy. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 20:15. DH: "Makà ankanjo iray ho fiarovana amin'ilay iray izay manome antoka fa ho vaoloa izay nindramin'ny vahiny"

izay nanome antoka

Midika izany fa misy olona manome zavatra amin'ny mpampindrana ho antoka fa ho voaloa izay nindramina. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 20:15. DH: "izay nanome antoka fa ho voaloa izay nindramina" na "izay nampanantena ny handoa ny findramana"

ary tano ho antoka izany

Ny "fitazonana ny zavatra iray ho antoka" dia midika fitazonana zavatra iray izay nomen'ny olona ho antoka, na fampanantenana, fa handoa ny trosa izy. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 20:15. DH: "tazony ny akanjony ho antoka amin'ny famerenana"

Na iza na iza manome tso-drano ny namany

"Raha misy mitso-drano ny namany"

dia raisina ho toy ny ozona izany tso-drano izany

Io dia azo atao hoe DH: "dia ho raisin'ilay namana ho ozona izany tso-drano izany"