plt_tn/pro/27/01.md

779 B

Aza mirehareha amin'ny ampitso

Fampitandremana mba tsy hieboebo ny amin'izay andrasanao ho avy rahampitso io. Azo atao mazava tsara io. DH: "Aza milaza am-pireharehana momba ny fikasana ho an'ny rahampitso"

izay mety ho entin'ny anio

Ny zavatra mitranga amin'ny andro iray dia resahina toy ny hoe ilay andro no hitondra izany tranga izany. DH: "izay hitranga anio" na "izay hitranga rahampitso"

ny vavanao ihany ... ny molotrao ihany

Ireo andian-teny roa ireo manambara ny "vava" sy ny "lela" ho miteny satria rantsan'ny vatana izay ampiasaina hitenenana ireo. DH: "ny tenanao ... ny tenanao"

ny vahiny fa tsy ny molotrao ihany

Azo ampiana avy ao amin'ny andian-teny teo alohan'ity ny teny latsaka eto. DH: "aoka ny vahiny fa tsy ny molotrao ihany no hidera anao"