plt_tn/pro/26/27.md

1.4 KiB

Izay rehetra mihady lavaka no hianjera ao amin'izany

Ny hevitra ambadik'izany dia mangady ilay lavaka ho fandrika hilatsahan'ny olona iray ao amin'izany ilay olona. DH: "Izay rehetra mangady lavaka hamandrihana olona no hilatsaka ao amin'izany" na "Raha misy olona mangady lavaka mba hamandrihana olona, dia ilay nandavaka no ho latsaka ao"

ny vato dia hikodia eo amin'izay nanosika izany

Ny hevitra ambadik'izany dia nanosika vato lehibe ilay olona mba hikodia hidina amin'ny havoana ka hahatoro ny olona eo izany. DH: "Raha misy olona manosika vato mba hikodiavan'izany hidina amin'ny havoana ka hahatoro olona, dia hikodia hiverina aminy kosa ilay vato" na "raha misy olona mampikodia vato mba handratra olona, dia hanorotoro azy kosa ilay vato"

Ny lela mandainga dia mankahala ny olona izay torotoroin'izany

Ny andian-teny hoe "ny lela mpandainga" dia maneho ny olona izay milaza lainga. Ny fanorotoroana olona dia maneho fitondrana korontana amin'izy ireo. DH: "Halan'ny mpandainga ireo izay ratrainy amin'ny laingany"

ny molotra mandoka mitondra faharavana

Ny andian-teny hoe "ny molotra mandoka" dia ilazana ny olona izay mandoka olona. Ireo mety ho heviny dia 1) ny olona izay mandoka ny hafa dia miteraka fahoriana na 2) ny olona izay mandoka ny hafa dia mamotika azy ireo

mandoka

fiderana ny olona iray amin'ny fomba izay tsy marina, na fiderana olona iray momba ny zavatra tsy marina