plt_tn/pro/25/27.md

913 B

Tsy tsara ny mihinana tantely be loatra; tahaka ny hoe mitady voninahitra miampy voninahitra izany.

Samy tsara ny faniriana ny hafa mba hanaja anao sy ny fihinanan-tantely, saingy tsy afaka mihinana tantely be loatra ianao, ary tsy afaka miezaka mafy ny hahatonga ny olona hanaja anao.

Tsy tsara

Io dia azo adika hoe DH: "Zava-dratsy ny"

tahaka ny hoe mitady voninahitra miampy voninahitra izany

"tahaka ny fieritreretana lalandava ny fomba mety hanajan'ny olona anao izany." Tsy mazava tsara ny hevitry ny fiteny nipoiran'io. Ireo fandikana ny Baiboly sasany dia mandika izany hoe "tahaka ny filazana teny mandoka be loatra amin'ny hafa izany."

Ny olona tsy manana fahafehezan-tena dia tahaka ny tanàna rava sy tsy misy manda.

Samy malemy sady marefo ny olona tsy misy fahafehezan-tena sy ny tanàna tsy misy manda.

rava sy tsy misy manda

"izay narodan'ny fahavalo ny mandany ary nopotehiny"