plt_tn/pro/25/25.md

1.0 KiB

Toy ny rano mangatsiaka ho an'izay mangetaheta, ny vaovao mahafaly avy any amin'ny firenena lavitra

Ny rano mangatsiaka dia ampitahaina amin'ny vaovao mahafaly izay samy mamelombelona sy mahafinaritra.

Tahaka ny loharano voahosihosy sy fantsakana rava ny olo-marina mikoy eo anatrehan'ny olona ratsy fanahy

Misy olona miandry ny loharano mba hisy rano mangatsakatsaka, tahaka ny fiandrasan'ny olona iray ny olo-marina mba hijoro ho an'izay inoany. Ny loharano voaloto dia ampitahaina amin'ny olo-marina izay lavo.

mikoy eo anatrehan'ny olona ratsy fanahy

Ny hoe mikoy dia sarinteny ilazana ny 1) fandavana ny hiady amin'ny olona ratsy fanahy na 2) fanatevenan-daharana ny faharatsian'izy ireo. DH: "izay mamela ny ratsy fanahy hanao faharatsiana" na "izay manomboka manao izay ataon'ny olona ratsy fanahy"

mikoy

Sarinteny ilazana ny tsy fahafahana manohy manao ny tsara io. DH: "tsy afa-mijoro"

eo anatrehan'ny olona ratsy fanahy

Ireo mety ho heviny dia 1) "rehefa mamely azy ny ratsy fanahy" na 2) "rehefa manosika azy hanao ratsy ny olona ratsy fanahy"