plt_tn/pro/24/03.md

1021 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).

Amin'ny fahendrena no ananganana trano

Ny teny hoe "fahendrena" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Mila hendry ny olona raha hanangana trano tsara"

amin'ny fahazavan-tsaina no anorenana azy

Ny teny hoe "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Mila mahatakatra izay tsara ara-moraly sy izay ratsy ara-moraly ny olona raha hanorina trano"

anorenana

tsy miozongozona ary mafy. Ny teny hoe "trano" dia ilazana ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, ary ny trano tsy miozongozona sady mafy dia sarinteny ilazana ny fianakaviana izay miaina am-piadanana.

Amin'ny fahalalana no hamenoana ... efitrano

Ny teny hoe "fahalalana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Mila mahalala izay sarobidy sy mahafinaritra ny olona raha te hameno ny efitranony"