plt_tn/pro/23/34.md

814 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20). Tohin'ny famaritana ny olona mamo ity.

mandry eo an-tampon'ny andrin-tsambo

Ny toerana eo amin'ny andrin-tsambo izay handrian'ny olona dia azo atao mazava. DH: "matory eo amin'ny sobika eo akaikin'ny andrin-tsambo"

andrin-tsambo

ilay tsangatsangana hazo izay hamatorana ny lain'ny sambo am-pandehanana

Namely ahy ireny, ... fa tsy voa aho. Nikapoka ahy ireny, fa tsy tsapako izany.

Satria tsy misaina tsara ilay olona mamo, dia mihevitra izy fa misy olona hafa mamely sy mamono azy, kanefa tsy mahatsapa fanaintainana izy ary tsy mahatsiaro na inona na inona

Rahoviana aho no hifoha?

Manontany tena ilay mamo hoe rahoviana indray no hisava ny toakany; rehefa mitsahatra ny fiantraikan'ny divay.