plt_tn/pro/23/29.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).

Iza no misy ozona? Iza no manana alahelo? Iza no manana ady? Iza no manana fitarainana? Iza no manana fery tsy ahoan-tsy ahoana? Iza no manana maso mivoara-mena?

Ampiasain'ny mpanoratra ireto fanontaniana ireto mba hampiomanana ny mpamaky amin'ny hevitra izay ho lazainy momba ny karazan'olona manokana. Tsy miandry valiny amin'ny fanontaniana tsirairay izy. Mety manana fomba hafa hampidirana lesona ny fiteninao. DH: "Mihainoa ahy rehefa milaza aminao ny karazan'olona manana ozona, alahelo, ady, fitarainana, ratra tsy ahoan-tsy ahoana, ary maso mivoara-mena aho."

maso mivoara-mena

"maso mena, tahaka lokon-drà"

Ireo izay mifikitra amin'ny divay

Ireo teny ireo no mamaly ny fanontaniana tao amin'ny andininy faha 29 ary mamaritra ireo olona izay misotro divay be loatra.

mifikitra amin'ny divay

mandany fotoana be loatra amin'ny fisotroana divay ary misotro divay bebe kokoa

ny divay mifangaro

Ireo mety ho heviny dia 1) divay isan-karazany nafangaro na 2) zava-pisotro hafa izay mahery noho ny divay.