plt_tn/pro/23/26.md

44 lines
1.9 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
# omeo ahy ny fonao
Ny teny hoe "fo" dia ilazana izay heverin'ny olona sy izay andraisany fanapahan-kevitra hatao. Ireo mety ho heviny dia 1) "mihainoa tsara" na 2) "matokia ahy tanteraka"
# aoka ny masonao hitandriana
Ny maso dia fibangoan-teny ilazana ilay olona manontolo. DH: "diniho" na "jereo tsara"
# vehivavy janga ... vehivavy ratsy fitondran-tena
Misy karazana vehivavy mpijangajanga roa. Ny "vehivavy janga" dia tsy manambady, ny "vadin'olon-kafa" dia manambady. Ny fitambaran'ireo dia manome hevitra ilazana izay mety ho karazam-behivavy ratsy fitondran-tena ara-nofo.
# Fa ny vehivavy janga dia lavaka lalina
Ny hoe "lavaka" dia sarinteny ilazana izay manjo ny lehilahy izay mandry amin'ny mpivaro-tena. DH: "ny fiaraha-mandry amin'ny mpivaro-tena dia tahaka ny milatsaka anaty lavaka lalina"
# vehivavy janga
Eto io teny io dia manondro izay vehivavy tsy manam-bady rehetra ka miditra amin'ny resaka firaisana ara-nofo, fa tsy ireo izay manao izany mba hahazoana vola fotsiny ihany.
# lavaka lalina ... fantsakana tery
Ireo dia toerana roa izay mora ilatsahana ary sarotra hivoahana, ny "lavaka" dia satria "lalina" izany, ary "fantsakana" satria "tery" izany.
# fantsakana tery ny vehivavy ratsy fitondran-tena
Ny fanaovan-dratsy izay hamaizana ny olona iray dia resahina toy ny filatsahana anaty toerana tery izay tsy ahafahana miala. DH: "Ny fiaraha-mandry amin'ny vadin'olon-kafa dia tahaka ny filatsahana anaty fantsakana tery"
# fantsakana
lavaka ao amin'ny tany izay nohadian'ny olona mba hahazoana rano
# Miandriandry
miafina, vonona ny hamely rehefa misy ho lasibatra manatona
# mpamadika
Io mpamaritra anarana io dia azo adika amin'ny mpamari-toetra na matoanteny. DH: "olona mpamadika" na "ireo izay manisy ratsy ny sasany amin'ny famitahana azy ireo"