plt_tn/pro/23/19.md

1005 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).

Mihainoa—ianao!—ry zanako

"Mihainoa tsara, ry zanako." Milaza teny fanampiny ilay miteny hahazoany antoka fa mihaino tsara ny mpihaino.

hampizory amin'ny lalana

Ny fanapahana hevitra hanao ny mety dia resahina toy ny hoe misy olona mapiseho amin'ny hafa ny lalana tsara tokony harahina. DH: "ataovy azo antoka fa manao izay hendry ianao"

fatra-pihinan-kena

Ireo mety ho heviny dia 1) "olona mihinan-kena mihoatra izay ilainy" na 2) fibangoan-teny ilazana ny "olona izay mihinana sakafo mihoatra izay ilainy" io.

ny faharendrehana no hampitafy azy amin'ny voro-damba

Ny teny hoe "faharendrehana" dia filaza-masaka ilazana ny olona madany fotoana be loatra amin'ny fihinanan-kanina sy fisotroana. Io fihetsika io dia resahina toy ny hoe ray aman-dreny mampitafy zaza. DH: "satria mandany fotoana be loatra amin'ny fihinanana sy fisotroana izy ireo, dia tsy hiasa ka hanjary hahantra"