plt_tn/pro/23/13.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).

Aza mitsitsy ny fampianarana tsy ho amin'ny zaza

Ny teny hoe "fampianarana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "Aza atao tsinontsinona ny fampianarana ny zaza" na "Aza mandà ny hampianatra zaza"

mitsitsy

mandà ny hanome zavatra izay ilain'ny hafa

tsorakazo

tapa-kazo

Ianao no tsy maintsy hikapoka azy ... hamonjy ny fanahiny

"Tsy maintsy kapohinao izy ... ary vonjeo ny fanahiny." Tsy misy hafa hanao izany. Ilay mpihaino no tompon'andraikitra amin'ny famonjena ny fanahin'ilay zaza amin'ny Fiainan-tsy hita, ary ny fomba hamonjena azy dia ny fikapohana azy.

hamonjy ny fanahiny amin'ny Fiainan-tsy hita

Raha mikapoka ny zanany amin'ny tsorakazo ny mpihaino, dia tsy ho faty tanora izy ireo satria nanao zavatra adaladala na zava-dratsy. Ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ilay olona. Ny Fiainan-tsy hita no tontolon'ny maty; ny fandehanana any amin'ny tontolon'ny maty dia fanalefahan-teny ilazana ny fahafatesana. DH: "ary hiaro azy amin'ny tontolon'ny maty ianao" na "ary hiaro azy tsy ho faty ianao"