plt_tn/pro/22/17.md

28 lines
1.4 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny andininy faha 17 no fampidirana ho amin'ny ampahany vaovao amin'ny Bokin'ny Ohabolana.
# Atongilano ny sofinao ary mihainoa
Eto ny teny hoe "sofina" dia maneho ilay olona mihaino. Ny fihainoana tsara ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitongilana manakaiky mba hanakaiky ilay olona miteny ny sofina. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "atongilano ny sofinao" ao amin'ny 4:20. DH: "Tandremo ary henoy" na "Henoy tsara"
# ireo tenin'ny hendry
"izay lazain'ny olon-kendry"
# ampanekeo ny fahalalako ny fonao
Fomba fiteny io. DH: "ataovy izay tsara indrindra avy aminao mba hahatakatra sy hahatsiaro"
# ny fahalalako
Mety ho ilay ray tao amin'ny 1:7 ihany ny olona miteny eto. Mety ho "ny fahalalako" no ilazany "ny tenin'ny hendry." DH: "ny fahalalana ananako, izay zaraiko aminao" na "izay fantatro"
# vonona eo amin'ny molotrao izy rehetra
Ny olona vonona ny hiteny dia resahina toy ny hoe ilay teny no vonona. DH: "vonona ny hilaza izany amin'ny fotoana rehetra ianao"
# anio—ianao dia ianao
anio. Eny, mampianatra anao aho," Manamafy ilay miteny fa ilay mpihaino, fa tsy olon-kafa no ampianariny, ary mampianatra ilay mpihaino izy satria mila mianatra ilay mpihaino. Raha hafahafa amin'ny fiteninao ny manisy fanindriana amin'io fomba io, dia azonao tsindriana amin'ny fomba hafa izany na azo tsy adika ny teny hoe "ianao dia ianao."