plt_tn/pro/21/07.md

1.1 KiB

Ny herisetran'ny ratsy fanahy dia hisintona azy ireo

Toy ny hoe olona izay afaka misintona ny olona hafa no firesaky ny mpanoratra ny herisetra. Ho faizin'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy manisy ratsy ny namany tsy manan-tsiny nohon'ny asa feno setrasetra nataony.

Ny herisetran'ny ratsy fanahy

Ny teny hoe "herisetra" dia entina ilazana ny asa feno setrasetra na zavatra ataon'ny olona mba hamelezana ny namany tsy manan-tsiny. Ny teny hoe "ratsy fanahy" dia mpamaritra anarana ary azo adika amin'ny andian-teny misy anarana, "olona ratsy fanahy." DH: "Ny asa feno herisetra ataon'ny olona ratsy fanahy mba hanisiana ratsy ny namany tsy manan-tsiny"

hisintona azy ireo

"mitazona azy ireo ary manery azy hiseho eo anatrehan'Andriamanitra mba hahafahan'Andriamanitra mitsara azy ireo"

Miolakolaka ny lalan'ny olona meloka

Fampitahana ny fomba fiainan'ny olona iray amin'ny lalana miolakolaka izay andehanan'ny olona iray izany. Fomba fiteny io. DH: "Ny fomba fiainan'ny meloka dia miolakolaka"

Miolakolaka

Eto ny hoe "miolakolaka" dia midika hoe mikitaontaona na tsy mahitsy. Sarinteny ilazana ny fahadisoana ara-moraly io. DH: "diso"