plt_tn/pro/21/01.md

1.0 KiB

Ny fon'ny mpanjaka dia rano mikoriana eo an-tanan'i Yaveh

Ny fon'ny mpanjaka dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lakan-drano eo amin'ny faritra maina izay hitarihan'ny olona rano ho eo amin'ny zava-maniry izay mila izany. DH: "Yaveh no mibaiko ny fon'ny mpanjaka tahaka ny fitarihan'ny olona ny rano avy amin'ny lakan-drano"

Ny fon'ny mpanjaka

Ny fo dia sarinteny ilazana ny izay eritreretin'ny olona sy izay tiany hatao. DH: "Ny fihevitry ny mpanjaka sy ny ataony" na "Izay heverin'ny mpanjaka sy izay tiany hatao"

Ny lalan'olona rehetra dia mahitsy eo imasony ihany

Ny teny hoe "maso" dia sarinteny ilazana ny fomba fihevitry ny olona ny amin'ny ratsy sy tsara. Ny ataon'ny olona dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana iray izy. DH: "Ny olon-drehetra mihevitra fa tsara ny ataony"

no mandanja ny fo

Ny fanapahan'i Yaveh raha mety izay irian'ny olona hatao dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mijery zavatra mivaingana i Yaveh ary manapaka raha tsara ny kalitaony. DH: "hitsara ny antony"