plt_tn/pro/18/13.md

804 B

adalana sy henatra ho azy

Ny teny hoe "adalana" dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra ary ny teny hoe "henatra" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "adaladala aminy izany, ary tokony ho menatra izy"

Zakan'ny fanahin'ny olona ny faharariana

Eto dia amin'ny fanahiny no iresahana ny olona mba hanindriana ny toetrany. DH: "Olona izay velom-panantenana dia hahazaka faharariana" na "Raha feno fanantenana ao anatiny ny olona iray, dia hahazaka ny faharariana izy"

fa iza no hahazaka izany fanahy torotoro izany?

Ity dia fanontaniana fampisainana, izay miandry ny valinteny fa vitsy no afaka mahazaka izany. Azo soratana amin'ny endrika fanambarana io. DH: "fa tena mafy ny mizaka izay fanahy torotoro izany."

fanahy torotoro

Entina ilazana ny famoizam-po io. DH: "famoizam-po"